Actualités

Gasy voatana an-keriny tany Niger Ataon’ny FAT fitaovana politika


  • Alakamisy 03 Martsa 2011


Nigadona an-tanindrazana halina, tamin’ny alalan’ny zotram-piaramanidina Air France AF 3578 avy any Parisy, ingahy Jean Claude Rakotoarilala, ilay Malagasy izay voatazona ho takalon’aina tany Niger. Niasa tao amin’ny orinasa Areva ny tenany tamin’io fotoana io. Fantatra sahady omaly fa hataon’ny FAT fitaovana politika ny tenany satria araka ny loharanom-baovao dia nisy delegasionin’ny FAT mihitsy nitsena azy amin’izao fahatongavany izao. Araka ny tsiliantsofina anefa dia nitady fanampiana tamin’ny fanjakana malagasy ny fianakavian’i Jean Claude fony izy voatana an-keriny saingy tsy nahazo valin-teny mahafapo mihitsy.

Vao nahalala ny fahafahan’ity teratany malagasy ity ny FAT dia nihazakazaka nanao taratasy fisaorana ny filoha Frantsay, Nicolas Sarkozy. Izao indray dia nihazakazaka nitsena an’i Jean Claude. Araka ny fantatra anefa dia ny Profesora Ranjeva Raymond no tena nahatanteraka izany.

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT