Actualités

Gasy Fashion Hetsika hanandratana ny lamaody vita Malagasy


  • Alakamisy 02 Jona 2016

Mitady ho fatin’ny fanatontoloana sy ny lamaody avy any ivelany ny lamaody Malagasy, hany ka tsy mahasarika ny ankamaroan’ny olona intsony.

 

Tena manan-karena akora anefa isika Malagasy no sady manana mpamorona lamaody mahay marobe ihany koa. Anisan’ireny i Sariaka Rah  izay tsy zoviana amintsika intsony. Mba ho fanandratana ny lamaody vita Malagasy sy ho fampahafantarana ireo mpisehatra amin’izany eto amintsika ary dia hotanterahina tsy ho ela  ilay hetsika “Gasy Fashion”  andiany voalohany amin’ity  taona 2016 ity.  Etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely no hanatanterahana izany  4 jona  ho avy izao tontolo andro. Manodidina ny 30 ireo trano eva handray anjara amin’izany ahitana ireo mpanao asa  tanana malagasy, mivarotra karazam-bokatra malagasy  toy ny akanjo, ny kiraro, ny poketra.  Mbola hitohy mandritra ny alina manomboka amin’ny 9 ora izany amin’ny alalan’ny filatroana hisalorana ireo lamaody vita malagasy ny hetsika.  Tsy misy ny vidim-pidirana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT