Mitohy hatrany ny vaovao azo mikasika an’i Gae, izay jiolahy nifampitadiavana tao Toamasina efa ho herintaona izao.
Nanomboka ny 03 mey 2012 no efa nikarohana azy rehefa nitsoaka ny Fonjaben’Ambalatavoahangy ny 21 aprily 2012, araka ny antontan-taratasy laharana 015 nosoniavin’ny lehiben’ny fonjan’i Toamasina. Voarain’ireo tompon’andraikitry zandary sy ny polisy ary ny fitsarana izany fanambarana izany. Nanao asa ivelan’ny fonja i Gaé, araka ny fangatahan’ireo sehatrasam-panjakana sy mpiasam-panjakana ambony mampiasa voafonja ao Toamasina. Tsy niverina tao Ambalatavoahangy i Gaé taorian’io. Tany am-boalohany dia tsy natao laharam-pahamehana ny fikarohana azy noho ny heloka nanenjehana azy ka nifonjany tao Ambalatavoahangy. Nanomboka ny volana janoary 2013 hatramin’ny nahafaty azy ny talata teo dia voasokajy ho jiolahy mpamono olona sy mpanolana ary mpitarika andian’jiolahy mpitondra scooter mpanao fanafihana mitam-basy tao Toamasina ny tenany. Ankoatra izay, araka ny fanazavan’ireo mpandraharaha ny fonja tafaresaka taminay, dia tsy anjaran’izy ireo ny manapa-kevitra amin’ny famoahana voafonja miasa ivelan’ny fonja, fa fanapahana raisina miaraka amin’ny mpitsara mihazona ny antontan-taratasin’ilay voafonja sy ny eo anivon’ny fampanoavana izany. Ny fanazavana ihany koa no nahalalana fa mampiasa voafonja avokoa ny ankamaroan’ireo biraom-panjakana sy mpiasam-panjakana ambony ao Toamasina, indrindra fa ny Faritra Atsinanana, ny Kaominina, ny fitsarana ary ireo lehibe na mpitandro ny filaminana sasany…
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.