Actualités

Gadra politika Notoloran’ny filoha Ravalomanana 40.000 ariary isan’olona


  • Talata 26 Aprily 2011

Nahatsiaro manokana ireo olona voatana am-ponja noho ny resaka politika ny filoha Marc Ravalomanana tamin’izao Paska 2011 izao. Miisa 86 izy ireo. Ny sasany any Mantasoa, misy ao Antanimora ary Tsiafahy ny ankamaroany.

Samy notolorana vola 40.000 ariary isan’olona izy ireo mba hiatrehany fety toy ny rehetra. Ny sabotsy 23 aprily teo, tao Bel’Air misy ny foiben-toeran’ny Ankolafy Ravalomanana no nanolorana ity fanampiana ity, tamin’ny alalan’ny fikambanan’ny Maherifo taona 2009. Fantatra tamin’io fotoana io fa misy amin’ireo gadra politika ireo no tsy mbola notsaraina nefa efa 24 volana am-ponja. Misy amin’izy ireo koa no notapahana karama nefa olona tsy mbola nomelohin’ny fitsarana akory.

Ny sasany indray dia fantatra fa misy fiantraikany tamin’ny fahasalamany ny vono nihatra taminy tamin’ny andro nisamborana azy narahin’ny fampijaliana nandritra ny fotoana nitazonana azy teny amin’ny CNME Ambohibao nialoha ny nandefasana azy ireo teny amin’ny fampanoavana. Ankoatra ny fianakaviana, mitaky ny hamoahana ireto gadra politika ireto, na ny hanafainganana ny raharaham-pitsarana azy ireo hivoahan’ny marina, ny Ankolafy Telo, toy izany koa ny komity firaisankina amin’ireo ianjadian’ny tsindrihazolena tarihin’i Fetison Rakoto Andrianirina.
 

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT