50 isan-taona no terehimarika ofisialy navoakan’ny avy eo anivon’ny vokovoko mena Malagasy ho isan’ireo gadra eto amintsika matin’ny tsy fahampian-tsakafo na ny tsy fahampian-kena, raha ny marina kokoa.
Vokatr’izay tsy fahampian-tsakafo izay dia 1 amin’ny gadra 2 no tratry ny aretina aterak’izany isan-taona ary matetika no modimandry. Mba hisorohana ity tranga manahirana sy mahonena ity ary dia nanapa-kevitra ny avy eo anivon’ny vokovoko manga Malagasy fa handray an-tanana ny fikarakarana gadra miisa 4.000 hatramin’iny fiandohan’ny taona 2016 iny. Tsara hampatsiahivina ihany koa anefa fa dia nahena hatrany amin’ny 70% be izao ny famatsiam-bola nomena ny eo anivon’ny fandraharahan’ny fonja nanomboka ny taona 2009 no ho mankaty.
J.M
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.