Notanterahina omaly ny fanolorana loka ho an’ireo telo tsara vintana nandray anjara tamin’ilay “lalao fun quizz 20” andiany faha-20 nokarakarain’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar nanomboka ny fiandohan’ny volana martsa lasa teo.
Nobatain’Andrianjaka Ravelojaona tamin’izany ny fiara tsara tarehy marika Chevrolet. Tanjony manaraka ny hibata ilay fiara marika Ford tena raitra, loka goavana mbola homena ny mpanjifa manaraka tsara vintana ihany koa. Tsy nampoiziny ny fahazoana ny loka. Sady manita-tsaina amin’ny alalan’ny fahalalana ankabobeny mantsy ilay lalao no mampiala voly ihany koa. Ankoatra ity raim-pianakaviana iray ity dia olona roa hafa ihany koa no notolorana loka dia Andriantsilaizina Raholivololona izay nahazo salon complet niaraka tamin’i José Rabenarivo izay notolorana vatafahitalavitra ecran plat miloko ihany koa. Mbola hitohy hatrany ny lalao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.