Actualités

Freddie Mahazoasy Miantsy ady amin’ny mpanao gazety


  • Alatsinainy 11 Jolay 2016

Feo tonga avy any amin’ny seranam-piaramanidin’i Arrachart ao Antsiranana no loharano nahazoana ny vaovao fa teo

 

am-pahatongavany dia naneho ny heviny momba ny fahitany ny lalàna vaovao mikasika ny satan’ny fifandraisana eto Madagasikara ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Freddie Mahazoasy. Tao amin’ny foibe misy ny radio varatraza moa no nanaovana ny fihaonana tamin’ireo mpanao gazety any an-toerana tamin’iny faran’ny herinandro iny. Anisan’ny teny nanaitra ary toy ny fandrangitana na  fanompana mihitsy ireo mpanao gazety izay iharan’ny tsindry hazo lena amin’izao fotoana noho ny fahalaniana tamin’ny fomba tsy demokratika ilay lalàn’ny serasera ny filazan’ity tompon’andraiki-panjakana ity fa natao hiarovana ireo mpanao gazety « jihadiste » io lalàna vaovao io fa tsy hifehezana azy akory. Tsy menatra akory izy nandika sahady ny hafatry ny filohan’izy ireo hoe « avadiho im-pito ny lela alohan’ny itenenana ».Tsy tonga tao an-tsain’ity olom-panjakana ambony ity ve fa izany « jihadiste » izany dia efa voasokajin’ny fianakaviambe iraisampirenena ho isan’ireo silamo mahery fihetsika mampiorohoro amin’izao fotoana izao taorian’ny fitsanganan’ny « Etat islamique » ?

Faralahimatoa    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT