Nihoron-koditra ireo mpanao fanadihadiana nahita ity horonantsary mirakitra ny fametavetana ataon’ity Frantsay lahy iray, milaza fa miasa sy mitady vola ao Sainte Marie.
Zazavavy vao 11 taona no nanaovany filan-dratsy tao anatin’ny horonantsary ary nanomboka ny zoma 20 mey ny fanadihadiana izany. Raha ny fanazavana azo, efa ela no nanao izao fametavetana zaza ao Sainte Marie sy Toamasina ity Frantsay milaza ho mpandraharaha ity, saingy hatramin’izay dia ireo mpiray tendro aminy hatrany no mizaka ny hadalany. Ny alakamisy 19 mey dia tratra ambodiomby ary hita mazava tao anatin’ity horonantsary vetaveta, izay efa misy mivarotra ao Toamasina tampon-tanàna, tsy azo nafenina intsony ilay vazaha, ary ny zoma teo dia nisy ny fiantsoana azy hiseho eo anatrehan’ny mpanao fanadihadiana noho io fametavetana zaza tsy ampy taona io, izay henjehin’ny lalàna famaizana malagasy.
Nanomboka ny zoma io ka hatramin’ny omaly hariva nanoratana ny vaovao anefa dia tsy nipoitra hanaovana ny fanadiadiana azy izy, na efa nilaza tamin’ny mpiaro azy manokana fa hiatrika ny fakana am-bavany azy noho izao heloka bevava hanenjahana azy izao. Ankilan’izay, nivadika ho fampiasana fahefana indray ny raharaha ankehitriny. Araka ny fantatra mantsy dia misy mpiaro matanjaka ity teratany frantsay mpametaveta zazavavy malagasy ity ka mampananosarotra ny fampiharana ny lalàna sy ny fisamborana ity Frantsay ity. Ny talen’ny filaminam-bahoaka ao Toamasina moa no nanome alalana ireo polisy eo ambany fifehezany hanao izay hisamborana sy hamaizana ity frantsay ity na mbola sarotra aza ny hanao izany. Ny tsikaritra ihany koa dia hita taratra amin’ity raharaha ity ny olana eo anivon’ny polisy ao Toamasina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.