François Goldbaltt

> Feno ny fepetra …


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2013

Ny sabotsy 17 aogositra hariva lasa teo no namoaka ny lisitr’ireo kandida afaka hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES).

Kandida valo no voahilika, tsy hita anarana tao anatin’ny lisitra intsony dia Atoa sy Rtoa isany Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana, Didier Ratsiraka, Ny Rado Rafalimanana, Kolo Christophe Rolland Roger, Jules Étienne Rolland, Rasolovoahangy Emma Roseline ary Rakotomalala Marcel Fleury. Tsy fahatomombanan’ny fanapahan-kevitra tamin’ny fampiharana ny lalàna, sy tsy fetezana tamin’ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana no nambaran’ny CES fa antony nanilihana ireo kandida ireo. Tsy hita ao anaty lisitra, nanampy azy valo ireo ny jeneraly Rasolosoa Dolin, izay niala an-tsitrapo. Tsy sanatria fanamaivanana ny kandida sasany fa ny rehetra maharaka tsara ny raharaham-pirenena dia mahatakattra avy hatrany fa ny fanilihana ireo kandida 3 notakian’ny SADC sy ny GIC-M no tena tanjona tamin’ny famoahana ity lisitra vaovao ity, fa mba natao haingon-taratasy fotsiny ny kandida hafa.

Raha ny tena marina aza, araka ny resaky ny olon-tsotra etsy sy eroa dia Rtoa Lalao Ravalomanana manokana no tena nokendrena tao anatin’izao fanilihana izao fa mba mody nanaovana sinema fotsiny. Raha tsy misy intsony ny fiovana, na fivadihan’ny toe-draharaha tampoka dia malalaka amin’izay ny lalana ho an’ireo kandida hafa tahaka an’i Roland Ratsiraka, Hajo Andrianainarivelo, Pierrot Rajaonarivelo ; ny iray amin’izy telo mirahalahy ireto mantsy no heverin’ny mpanara-baovao politika fa ho lasa filoham-pirenena, raha toa ka tsy anisan’ny kandida i Andry Rajoelina sy Lalao Ravalomanana, izay tao anatin’ny tombatomban’ny maro fa hiatrika ny fiodinana faharoa. Na ahoana na ahoana fanazavana sy fiarovan-tena mety ho ataon’ny CES II dia mazava ny resaka fa nanaiky ny tsindry bokotra avy amin’ny GIC M ity andrim-panjakana ity ka tsy niasa saina lalina fa tonga dia nanilika, izay nasaina nahilika.

Ny masoivoho Frantsay miasa eto amintsika Atoa François Goldbaltt no anisan’ny voalohany naneho hevitra taorian’izao fanapahan-kevitry ny CES izao ka nolazainy fa hoe : «feno ny fepetra hampandehanana indray ny zotram-pifidianana ao anatin’ny fitoniana sy ny filaminana…». Tsy mahagaga ilay fanehoan-kevitra satria i Frantsa no tena ao ambadiky ny fanilihana ireo kandida 3 indrindra fa Rtoa Lalao Ravalomanana, sy tao ambadik’ilay «ni…ni» nanilihana ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita tsy ho kandida amin’ny fifidianana. Raha tsorina ny resaka dia afa-po tanteraka tamin’ny didy navoaky ny CES ny Frantsay ary mety hihazakazaka amin’izay hanao izay hantanterahana haingana ny fifidianana, tahaka ny efa nataony tany Mali.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT