Foulpointe

> Voasambotra ireo mpampihorohoro


  • Talata 03 Septambra 2013

Fahombiazana no azon’ny ekipan’ny Kaomandà Randriarinosy Alphonse Marie Anaclet lehiben’ny borigadin’ny zandary ao Mahavelona Foulpointe, taorian’ny baiko nidina avy amin’ny lehiben’ny Fampanoavana ambony ny fitsarana ambony, Atoa Andriamahangy Georges Florence, tsy maintsy nanatanterahana ny hazalambo ireo andian-jiolahy nampahory ny mponina sy mpiala sasatra ary ireo mpandraharaha.

 

Anisan’ny habibiana vitan’izy ireo ny nanolanan’ny jiolahy efa-dahy ankizivavy 11 taona teo imason’ny ray sy reny niteraka azy ny alin’ny 19 aogositra. Simba tanteraka ilay ankizivavy no tsy mety salama noho ny nanjo azy sy ny aretim-po nateraky ny fanolanana azy. Nanomboka teo ny fikarohana ireo jiolahy. Ny 27 aogositra no voasambotra tao Mangarano II Toamasina i Ravo Victorien, 32 taona. Izy no nanoro ny namany ka voasambotra tao Mangarano II Toamasina ny 28 aogositra koa i Lekamisy Justin, 49 taona, izay miaramila ao Toamasina. Mbola tao Mangarano II hatrany no tratra koa ingahy Razafimahatratra Marcelin Justin, 32 taona, ny 30 aogositra. Ny sabotsy 31 aogositra tamin’ny 6 ora hariva, teo an-dalana handeha hivarotra omby halatra tao Mahavelona Foulpointe no nanaovana vela-pandrika i Gae, fantatra amin’ny tena anarany Martin Gaston, raha nahazo vaovao tamin’ny fampiasany ireo finday halatra ny zandary tao Mahavelona Foulpointe. Nisy ny fifanenjehana.

Tsy nisy basy rahateo teny aminy ka mora ny fisamborana azy. Na izany aza dia nahitana bala 5 tao am-paosiny. Nandritra ny fisavana ny tranony tao Andranomadio Foulpointe no nahitana basimborona Calibre 12 miaraka amin’ny bala 4, sy Pistolet Revolver miaraka amin’ny bala 9 mm niisa 6, ary nahitana karazam-panafody gasy anaty fonosana maromaro ankoatra ny karazana finday. Nandritra ny famotorana rehetra natao azy ireo, dia niaiky ny heloka vitany izy efa-dahy, anisan’izany ny fanolanana ilay ankizivavy 11 taona. Manahy amin’ny fisiana fitaovam-padiana sy ekipa hafa afenin’i Gae ny zandary ka manitatra ny fanadihadiany. Anio talata 3 septambra kosa no hiakatra Fampanoavana ao Toamasina izy efa-dahy. Andian-jiolahy nifampitadiavan’ny mpitandro ny filaminana tao Toamasina hatry ny ela ity ekipan’i Gae ity. Mangataka ny handefasana azy ireo any Tsiafahy avokoa ny ankamaroan’ny olona sy mpandraharaha efa lasibatr’izy ireo tao Toamasina renivohitra.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT