Actualités

Fotoam-pahavaratra Afaka efa-bolana vao mety hisy ranon’orana


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Efa miaina ao anaty hafanana tanteraka ny any amin’iny faritra avaratra andrefan’ny Nosy iny amin’izao fotoana izao na dia mbola mangatsiaka aza ny eto an-drenivohitra.

Anisan’izany ny ao Mahajanga. Mitaraina sahady araka izany ireo tantsaha mpamokatra miandrandra any amin’iny faritra iny. Maika kina tanteraka mantsy ireo tanimbary any an-toerana nefa efa miharitra sahady ihany koa ny reniranon’i Betsiboka, izay hany renirano tokana afaka manondraka ireo tanimbary amina ha maro any an-toerana. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby anefa dia mety afaka efa-bolana any ho any vao mety hisy ranon’orana hilatsaka eto amintsika aorian’ny vanim-potoanan’ny ririnina. Mbola tsy fantatra ihany koa hatreto izay vanim-potoana hilatsahan’ilay ranon’orana manasa-taona, masaraka ny vanim-potoanan’ny ririnina sy ny lohataona. Raha izay tombatombana izay araka izany no tena marina dia any amin’ny volana desambra any ho any vao hirotsaka ny ranon’orana eto amintsika ary ahiana ho tena mafy sy betsaka mety hanimba zavatra indray.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT