Actualités

Foto-drafitrasa ao Ankadikely Ilafy Horaisin’ny fikambanana Miotisoa ny fanadiovana sy fikojakojana


  • Alarobia 14 Septambra 2022

Ilana fanaraha-maso akaiky ny fikojakojana ireny karazana foto-drafitrasa misy eny anivon’ireny kaominina ireny mba holovain’ny taranaka faramandimby.

Ho an’ny kaominina Ankadikely Ilafy manokana dia fantatra fa horaisin’ny Fikambanana « Miotisoa » amin’ny fomba ofisialy manomboka ny 22 Septambra ho avy izao ny fanadiovana amin’ny ankapobeny ny tanàna sy ny fikojakojana ireo foto-drafitrasa azo avy amin’ny tetikasa « Lalan-kely fahatelo » amin’ireo Fokontany miisa telo vao notokanana vao haingana. Anisan’izany ny ao amin’ny Fokontany Manjaka, Ambohibe ary Antsampandrano. Nisy araka izany omaly Talata tao Biraon’ny Kaominina ny fanaovana ny atrikasa ho fankatoavana izany natrehan’ireo solontena avy amin’ny « GRET » sy ny « Enda Madagascar » ary ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Kaominina, ny avy amin’ny Fikambanana « Miotisoa » sy ireo Fokontany voakasikin’ity tetikasa ity ary ny solontenan’ny vahoaka eny ifotony.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT