Sao dia tokony ampifanakalozana ny « cité universitaire » sy ny fonja manara-penitra, hoy ny fanontanian’ny mpampianatra mpikaroka iray nahita an-tsary ny ivelany sy atin’ny fonja
manara-penitra vaovao ao Imerintsiatosika notokanana ny faran’ny herinandro teo? Sa tsy fanitsahana zon'olombelona ny miara-miaina amin’ny voalavo, « branchement électrique sauvage » miteraka « accident » sy ny hafa rehetra iainana eny amin’ny oniversite, hoy izy? Manara-penitra lavitra noho ny oniversitem-panjakana, araka izany, ny fahitan’ireo mpisehatra eny amin’ny anjerimanontolom-panjakana ity fonjabe na “prison de haute sécurité” eny Imerintsiatosika ity. Araka ny fanazavana mikasika ny oniversiten’Antananarivo eny Ankatso fotsiny, ohatra, dia manahirana eny an-toerana hatramin’ny mitady rano hanondrahana toeram-pidiovana sy fanaovana maloto. Tsy mandeha ny rano anaty laboratoara. Fahasahiranana hatramin’ny fahazoana tsaoka hanoratana eny amin’ny fafana. Raha mijery ilay fonja kosa anefa dia tsikaritra fa misy izay ilain’izay sanatriavina ho voafonja ao rehetra ity toerana eny Imerintsiatosika ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.