Mahatratra 918 ny voafonja ao Ambalatavoahangy nefa 300 no tena zakany. Lehilahy ny 859 amin’ireo, ka 13 ny tsy ampy taona, vehivavy kosa ny 44 izay ahitana tsy ampy taona 02. Amin’ireo rehetra ireo dia miisa 450 ireo efa voatsara raha miisa 398 ireo miandry fitsarana; miisa 77 kosa ireo miasa amin’ireo “camps pénaux” miisa 06 ; 21 ireo nampiakatra ny raharaha amin’ny fitsarana ambony ary 48 ireo eny amin’ny fitsarana tampony. Na eo aza ny fitokonan’ny mpandraharaha ny fonja dia tsy nisy olana fa afaka nitsidika sy nanatitra sakafo ho an’ny havany ny fianakavin’ny voafonja.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.