Actualités

Fonjaben’i Toamasina Mandoa 100 000 Ar ireo gadra dia …


  • Alarobia 07 Septambra 2022

Mandoa 100 000 Ariary isan-kerinandro mitomboka karne dia afaka mipetraka ivelany manohy asa andavan’andro ireo voafonja ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy - Toamasina,

hoy ny loharanom-baovao voaray. Isany nisitraka izany i R. C, 45 taona, voafonja lahy efa voatsara ary voaheloka 5 taona am-ponja, asa an-terivozona. Raharaha fanolanana zazalahy 13 taona tao Andranomadio ny volana novambra 2021 no nampidoboka azy. Ny 22 aogositra 2022 teo no nitsarana azy teo anivon’ny fitsarana heloka bevava Toamasina. Ny 23 aogositra 2022 dia efa hita niriaria sy manao asa aty ivelan’ny fonja izy. Fipetrahana aty ivelan’ny fonja izay sandaina 100 000 Ariary isan-kerinandro, araka ny fanadihadiana izay natao. Nandritry ny nahazoany sazy mihatra na MD sy taorian’ny fitsarana azy izany dia efa tsy tao am-ponja izy. Fantatra fa ny 30 aogositra 2021, andro voalohany, nampidirina azy MD ihany no mba natoriany tao amin’ny fonjan’i Toamasina. Araka ny vaovao voaray farany momba ity tranga ity, dia efa naverina any am-ponja i R.C amin’izao fotoana izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT