Actualités

Fonjaben’Antanimora Misy zaza 60 migadra miaraka amin-dReniny


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Mahatratra 60 isa eo ho eo ireo zaza tsy manan-tsiny miaraka amin-dReniny tazonina ao amin’ny fonjaben’Antanimora amin’izao.

Misy amin’izy ireo no vao teraka mihitsy raha misy ihany koa ireo efa an-taonany. Amin’ny ankapobeny dia tokony hihinana sakafo mifanaraka amin’ny salan-taonany ireny ankizy madinika ireny fa tsy mitovy amin’ny olon-dehibe. Misy ohatra ireo tokony hihinana ronono fa tsy ampy nono ny reniny. Misy koa ireo tokony hihinana sakafo maro loko ilana fikarakarana manokana hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Mba hahafahana mamaha ny olana mifandraika amin’izany dia nisy ny faran’ny herinandro teo ny fifanatonana teo amin’ny ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo sy ny Ministeran’ny fitsarana ary ireo fikambanana maro lafy isan-tsokajiny. Nodinihina nandritra izany ireo karazana paikady hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eny anivon’ny toeram-pamonjana. Ankoatra ireo ankizy madinika mantsy dia mbola hitadiavam-bahaolana ihany koa ireo olon-dehibe mifonja sy ireo vehivavy bevohoka izay misy ihany koa ary tokony hikarakarana sakafo manokana fa tsy mitovy amin’ny voafonja rehetra. Tsiahivina moa fa efa nihena hatrany amin’ny 15% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo teto amintsika tato anatin’ny 10 taona izao. Na izany aza mbola tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ny 40%-n’ireo ankizy latsaky ny 5 taona eto amintsika antony hanaovana ny fanentanana sy ny fampianarana etsy sy eroa.
Pati
Legende : Vao teraka dia efa miaina any am-ponja ny sasany amin’ireo kilonga madinika.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT