Fonja malagasy

> Mbola lavitry ny fenitra iraisam-pirenena


  • Zoma 07 Martsa 2014

Manomboka mivangongo ny olana mikasika ny fonja eto Madagasikara. Mitana ny laharana voalohany amin’izany ny fahabetsahan’ireo gadra manoloana ny toerana voafetra handraisana azy ireo.

Voafaritra ho 10.000 ihany mantsy ny isan’ireo olona voasazy zakan’ireo toerana fitazonana ireo olon-dratsy miisa 82 eto amintsika. Ankehitriny anefa dia efa mahatratra 21.000 ny isan’izy ireo, izany hoe efa avo roa heny mahery. Fantatra fa nanomboka tamin’ny volana aprily 2013 no tena niakatra be io tarehimarika io satria niampy 2.000 be izao izany tao anatin’ny folo volana teo izay misy akony goavana any amin’ny fahasalamana ankapoben’ny voafonja ny fahamaroan’izy ireo. Olana faharoa lalovan’ny fonja malagasy ny mahakasika ny fotodrafitrasa efa tena antitra tokoa satria ny 85% no ilana fanavaozana tanteraka, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny fitantanana ny fonja, Andriamaroahina Ranaivo Tovonjanahary. Fotoana izao hanatsarana ireo fonja efa misy sy hanorenana trano vaovao mila mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Raha tsy izay mantsy dia tsy hivaha mihitsy ny olan’ny tsy fandriampahalemana, ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fametrahana ny Fanjakana tan-dalàna. Atahorana ihany koa etsy an-danin’izay ny fitsoahan’ireo voafonja. Farany nefa tsy kely dia ny tsy fahampian’ny mpiasa misahana ny raharahan’ny fonja toy ireo mpanabe sy mpampiofana izay azo ambara fa tsy maharaka ny asa sahanin’izy ireo intsony. Porofon’izany ny isan’ireo mpiandry voafonja izay misahana gadra 30 hatramin’ny 40 isanisany raha 5 no fenitra iraisam-pirenena.

Ramano F

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT