Actualités

Fondation "Céline et Didier Ratsiraka" Hamokatra horonantsary mirakitra ny tantara sy asa vitan'ny Amiraly


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Lanonana roa sosona no tetsy amin’ny Carlton Anosy ny 4 novambra 2022 teo, teo ny fankalazana ny tsingerintaona nahaterahanan’ny Filoham-pirenena teo aloha, ny Amiraly Didier Ratsiraka sady nankalazaina ny taona voalohany

nitsanganan’ny Fondation Céline sy Didier Ratsiraka, izay natsangana ny 4 novambra 2021, mba hanohy ny asan’izy mivady amin’ny fanasoavana ny firenena sy ny mpiray tanindrazana. Tonga nanotrona izany ireo fianakaviana sy ireo mpikatroka Arema ary ireo mpiaradia taminy fony fahavelony. Asa maro no efa natombok’izy mivady ireo ho an’ny firenena nandritra ny fotoana nitantanany hatramin’izao ary manohy izany ity Fondation ity. Mifototra amin’ny fanabeazana sy ny fikajiana ny tontolo iainana izany, ny fampitovian-jo ny Malagasy rehetra eo amin’ny lafiny sosialy ary ny fanandratana ny kolontsaina Malagasy izany. Efa niasa ny Fondation tao anatin'izay herintaona nitsanganany izay. Isan’izany ny fanolorana kojakojam-pianarana ho an’ireo mpianatra tao amin’ny Boriboritany voalohany Antananarivo Renivohitra. Nanohana ankizy maromaro ihany koa ahafahany manohy fianarana teny amin’ny kolejy. Teo ihany koa ny fanohanana mpianatra hahavita fianarana Master II. Efa nanolotra fiofanana teny frantsay sy anglisy ho an’ny mpianatra teny amin’ny oniversiten’Antananarivo ihany koa, sns. Ho fanohizana ny hetsika dia manana vina ny hamokatra horonantsary mirakitra ny tantaran’ny Amiraly Didier Ratsiraka ny Fondation. Horonantsary izy hanehoana ny tantarany sy ireo asa izay nataony ho an’ny firenena. Heverina fa ho vita amin’ny taona 20223 ity horonantsary ity.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT