Nodimandry omaly 05 oktobra hariva ny Jeneraly Andrianafidisoa fantatry ny maro amin’ny hoe Jeneraly FIDY. Manamboninahitra ambony isan’ny nanamarika ny tantaram-pirenena teto Madagasikara,
indrindra fa nandritra ny toe-draharaha politika tamin’ny 2002. Izy no anisan'ireo manamboninahitra Jeneraly voalohany niala tamin'ny fanohanana ny Amiraly Ratsiraka ary nanohana an'i Marc Ravalomanana. Nitarika ny fanafihana ny lapan'ny faritany notantanin'ny governora Emilson tao Andohanatady Fianarantsoa. Azony sy ireo niara-dia taminy ny Toby miaramila RM2 Fianarantsoa. Efa nitantana ny OTME ( Office de Transmissions Militaires de l'Etat), Tale jeneralin'ny OMNIS, Filohan’ny Filankevi-pitantanana na PCA an’ny orinasa SECREN,… tamin’ny andron’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary anisan’ireo tena akaiky ny Filoha. Ny taona 2006, nisy ny tsy fitovian-kevitra teo aminy sy ny Filoha Marc Ravalomanana, ka nanomana fandraisam-pahefana teny amin'ny Bani Ivato ny tenany. Tsy nahomby ny fikasana.Nambarany moa taty aoriana fa fanairana no nataony mba hisian’ny fahatongavan-tsainan’ny mpitondra tamin’izany fotona sy hanitsiana izay tsy mety. Namoahan'ny manam-pahefana didy fikarohana ny Jeneraly Fidy, ary nifampitadiavana naharitra. Voasambotra teny Ankadifotsy, ka nampidirina am-ponja, ary nivoaka ny fonja ny 2009. Anisan’ireo olona tena mahitsy fitenenana ny jeneraly Fidy, ary tsy misorona rehefa milaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena. Maneho fiaraha-miory ary mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ny jeneraly Andrianafidisoa isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.