Nanomboka tamin’ny 2009 dia tsy maintsy misy fikomiana iray isan-taona fara fahakeliny ao amin’ny foloalindahy malagasy.
Nisantatra izany ny CAPSAT tamin’ny 08 martsa 2009, nanaraka ny FIGN tamin’ny 20 mey 2010, notohizan’ny manamboninahitra nikomy tao amin’ny BANI ny 17 novambra tamin’io taona io ihany. Saika nikomy koa ny teny amin’ny RAS tamin’ny 2011. Ny 22 jolay farany teo moa dia ny fikomiana teny amin’ny RFI Ivato notarihan’ny kaporaly Koto Mainty. Noho ireo tranga rehetra ireo dia efa misimisy ihany ny miaramila sy zandary nohadihadiana, notsaraina ary nogadraina, ankotra ireo namoy ny ainy. Maro ny hevitra mipoitra etsy sy eroa manoloana ireo fikomiana ireo. Na ahoana na ahoana ambara dia azo antoka fa marary ny foloalindahy malagasy.
Hafa ny kabarin’ireo be galona manana toerana politika, saingy hafa mihitsy ny resaka sy ny zava-misy any an-dakazerina any. Iaraha-mahita ihany koa fa nanomboka tamin’ny 2009 dia voapoizin’ny vola ny foloalindahy ka toa samy te hahazo ny anjarany na ny lehibe, na ny kely. Loza ho an’ny firenena anefa raha ny foloalindahy voalaza fa tandroka aron’ny vozona indray no misavorovoro, koa maro no mahita fa tokony handinika lalina ny famerenana ny tena hasin’izany foloalindahy izany sy ny firaisankinany, ireo be galona sy manampahefana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Mampalahelo sady mahamenatra ny mandre fa misy kolikoly any amin’ny fampidirana mpianatra ho zandary, mampitolagaga ny fampisondrotana grady teto Madagasikara tato anatin’ny telo taona fa nisy manamboninahitra, nilanja galona kolonely tamin’ny 2009, niakatra «général de brigade» tamin’ny 2010, avy eo nahazo ny galona «général de division» ny taona 2011. Tsy misy miaramila, na dia iray monja aza, mahafantatra tsara ny fepetra tsy maintsy arahana amin’ny fampisondrotana grady, ka hilaza fa mety ary rariny sy hitsiny izany fampisondrotana grady izany.
Avy eo dia nampiakarina grady koa ireo komanda koa dia naniry ohatry ny anana ny kolonely eto amintsika amin’izao fotoana, dia manaraka izay koa ny fisondrotana karama. Nimenomenona ny tany an-dakazerina dia mba nomena ny anjarany koa ireo manamboninahitra lefitra. Vetivety dia mamoaka vola hanomezana fahafaham-po ireo miaramila nitaky ny tambin-karamany ny fitondrana tetezamita, fa kosa vonona ny handroaka ny mpampianatra. Tsy mbola milamina ihany anefa ny foloalindahy fa dia andrenesana izao karazana fimenomenomana rehetra izao. Voaresaka etsy sy eroa foana fa misy andiana miaramila mikononkonona fanonganam-panjakana. Voalaza fa misy manamboninahitra miaraka mivory amina mpanao politika. Mazava ny resaka eto fa dia tafiditra any anatin’ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena koa ny fanaovana politika avo lenta sy ny fitiavam-bola diso tafahoatra. Mety ho izay angamba, hoy ny olon-tsotra mandinika ny zava-misy, no mahatonga io fikomiana isaky ny mihetsika io !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.