Actualités

Fokontany III G Hangar Mandrevo ny fotaka, nanjavona ny tetikasa lalankely


  • Sabotsy 18 Jona 2016

Lasa resabe fotsiny ilay tetikasa lalankely nampanantenain’ny fanjakana ho an’ny fokontany III G Hangar, hoy ny lefitry ny sefom-pokontany, Rabemiafara Soloniaina Charles.

Ny ampahadimin’ny lalana  ihany mantsy no vita hatreto  dia nanjavona tsy hita intsony ireo olona nanao ny asa. Miaina  anaty fotaka na vovoka hatrany ny mponina vokatr’izany,  miankina amin’izay toetr’andro misy, raha anisan’ny nitana  ny laharana voalohany hatrany ny fokontany tamin’ireo karazana fifaninanana momba ny fahadiovana nokarakarain’ny  tompon’andraikitra hatramin’izay. Nanambara moa ity lefitry ny sefom-pokontany ity fa tsy manana tetibola entina hanamboarana fotodrafitrasa toy ny lalankely ny fokontany. Noho izany dia manao antso avo amin’ny fanjakana izy ireo mba hijery akaiky ny zava-misy. Anisan’ny fokontany be mponina indrindra moa ny III G Hangar. Raha tsiahivina dia voasokajy ho ambany toerana tokoa ary mitondra faisana hatrany isaky ny fotoam-pahavaratra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT