Fokontany Ampitatafika vaovao

> Nahazo lalana rarivato mirefy 600 metatra


  • Zoma 06 Septambra 2013

Voavaly ny hetahetan’ireo mponina ao faritra voalohany sy faharoan’ny Fokontany Ampitatafika Vaovao, Andrefambohitra ao anatin’ny Kaominina Ampitatafika satria dia afa-pahasahiranana izy ireo amin’ny fotaka mandrevo, indrindra ao anatin’ny fotoam-pahavaratra.

Efa azo ampiasaina nanomboka ny alarobia 04 septambra 2013 teo tokoa mantsy ny ampahan-dalana rarivato mirefy 600 metatra taorian’ny fisafoana ara-teknika teny an-toerana niarahan’ny ekipan’ny Kaominina notarihan’ny Ben’ny tanàna Ramparaoelina Rado sy ny teknisianina avy amin’ny orinasa nanatanteraka ny asa. Namatsy ara-bola mitentina 32 tapitrisa Ariary tamin’ny fanatontosana ny asa ny primatiora lefitra misahana ny fanajariana ny tany ary naharitra iray volana ny faharetan’ny asa. Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny Kaominina Ampitatafika rahateo ny fanamboaran-dalana ka ankehitriny dia mitotaly 13,4 kilometatra ny lalana vita amin’ny 35 kilometatra mandrakotra ny tanàna. Kilometatra iray kosa sisa dia vita tanteraka ny lalana ao anatin’ny renivohi-paritry ny Kaominina Ampitatafika. Dingana manaraka amin’ny fanamboaran-dalana ezahan’ny mpitantana ny tanàna ny hanenjika 4 kilometatra ao amin’ny Fokontanin’Ambohimangidy. Tsy nataon’ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany ambanin-javatra ihany koa ny sehatry ny fanabeazana eny an-toerana ka misy ihany koa ny fanitarana ny efitrano ao amin’ny Lycée ankehitriny.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT