Actualités

Foire Vidy Varotra Raikitra ny andiany faha-11


  • Zoma 29 Aprily 2011

Raikitra ny Foire Vidy Varotra. Eo amin’ny andiany faha-11 izy amin’ity indray mitoraka ity, izay hanomboka anio ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.

Haharitra hateloana ny hetsika, mifanotona indrindra tamin’ny fotoana fandraisan-karama faran’ny volana sy fifaranan’ny fotoam-pialantsasatry ny mpianatra mialoha ny hiatrehana indray ny telo volana farany. Fotoana azon’ny mpianakavy hararaotina hiantsenana, hamenoana ny filana ao an-trano toy ny sakafo, na koa ny kojakoja ilain’ny mpianatra mialoha ny hiverenany indray an-tsekoly. Koa satria mamaramparana ny fialantsasatra ny mpianatra amin’io ka dia fotoana fanararaotra hialana voly io Foire Vidy Varotra io, eny fa na dia ny fahitana ireo karazana alika, fiara, sy kilalao fanitaran-tsaina samihafa fotsiny aza, satria dia ho hita ao avokoa izany toy ireo fitaovana momba informatika sy ny hiaka farany amin’ny finday.

Efa tomombana avokoa ny zava-drehetra, araka ny nambaran’ny mpikarakara ary dia miandry ny mpitsidika izy ireo. Misy tany lehibe roa rahateo miandry ny mpitsidika tsara vintana, ankotra ny fizarana fanomezana eo am-pidirana ho an’izay tonga aloha.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT