Vaindohan-draharahan’ny sampandraharahan’ny hetra tamin’ity taona ity ny fanatonana hatrany ny vahoaka.
Izany no mahatonga ny fanapariahana ireo Ivon-ketra eto Analamanga eny anivon’ny Boriborintany eto an-drenivohitra. Taorian’ny Ivon-ketra Boriborintany voalohany izay lasa eny Soarano sy ny an’ny Boriboritany faharoa eny Tsimbazaza dia nifindra eny Faravohitra ao amin’ny biraon’ny “Contribution Directe” teo aloha ny Ivon-ketra an’ny Boriborintany fahatelo manomboka amin’ity alatsinainy 6 jona ity. Lasa ao Ambohimahitsy, akaikin’ny Espace Tantely kosa ny Ivon-ketra ho an’ny distrikan’Avaradrano. Ny mpandoa hetra ao amin’ny Boriboritany fahefatra sy fahadimy izany sisa no raisina eny 67ha, hoy ny talen’ny sampandraharahan’ny hetra miadidy ny faritra Analamanga, Rakoto Haritiana.
Miha maivana ny fandoavan-ketra satria tsy misy intsony ny filaharambe toy ny teo aloha ka tokony harisika kokoa hanefa ny adidiny ny tsirairay, araka ny fanazavany ihany. Manantena ny fitomboan’ny taham-pidiran-ketra avo roa heny ny tenany, araka izany. 2 139 tapitrisa ariary moa no hetra niditra teto Analamanga tamin’ny 2010 izay efa nanakaiky ny zava-bita tamin’ny taona 2008 nitentina 2 300 tapitrisa ariary kosa. Ankoatra ny fanakaikezana ny mpandoa hetra amin’ny alalan’ireo Ivon-ketra vaovao ireo dia paikady ampiharina manomboka amin’ity volana jona ity hanatrarana ilay fanamby ny fidinana ifotony ka hisavana ny fahazoan-dalana sy ny antontan-taratasy manamarina ny fandoavan-ketran’ireo mpandraharaha araka ny sehatra misy azy avy. Iaraha-manatontosa amin’ny ekipan’ny ministeran’ny varotra, ny atitany, ny fitsarana, ny fiompiana, ny polisy sy ny zandary ary ny maro hafa ny hetsika izay eo ambany fitantanan’ny Faritra. Nomarihan-dRakoto Haritiana fa mety hatramin’ny faran’ny taona io hetsika io ary azo ahetsika amin’ny fotoana ilana azy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.