Actualités

Fodian’ireo tavela amin’ny tany Arabo Mitalaho amin’ny Fanjakana ny AZIG


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Manamafy ny antso amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy handray fepetra hanamorana ny fampodiana an’ireo mpiasa any amin’ireo firenena arabo ny Fikambanana Zanak’i Gasikara na AZIG.

 « Betsaka amin’izy ireo no tokony hody ary omen’ny firenena ipetrahany alalana hody saingy tsy mbola nahazo alàlana hiditra aty Madagasilara ny fiaramanidina tokony hiondranany hatramin’izao ka angatahana ny hahazoany izany », hoy ny fampitam-baovao voaray avy any Frantsa nataon-dRtoa Heliarisoa Carrozza Filoha mpanorina ny AZIG,. Notsoriny fa tsy afaka hiampita any amin’ny firenena eoropeana ny ankamaroan’ireo mpiasa malagasy ireo noho ny tsy fananany visa hidirana any ka tsy maintsy zotra mivantana mankany Madagasikara ihany no ahafahany mody. « Hianto-tena ary efa manana tapakila handehanana fiaramanidina ny maro amin’ireo mpiasa te-hody ireo ary ny firenena misy azy kosa, toy ny any Koweït, no mifanaraka amin’ny kaompaniam-pitaterana handehanany fa miandry ny fahazoan-dàlana amin’ny fanjakana malagasy fotsiny ny fahatanterahan’ny fodiana”, hoy i Heliarisoa Carrozza. Efa mihoatry ny 300 ny mpiasa malagasy voatazona am-ponja noho ny tsy fananana taratasy fahazoana mipetraka any amin’ireo firenena arabo amin’izao fotoana izao ka lohalaharana amin’izany ny ao Koweït sy Arabia Saodita izay misy gadra 180 sy 100 isanisany. Vao nisy mpiasa malagasy maty tany am-ponja rahateo tany Koweït tamin’ny herinandro teo. Hahazo alàlana hody avokoa anefa na ireo nahatapitra fifanarahana araka asa na ireo mifonja, hoy ny manam-pahefana amin’ireo firenena arabo ireo.

Toky R

Légende : Na ireo migadra aza afaka mody raha misy sidina, hoy i Heliarisoa Carrozza Filohan’ny AZIG.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT