Sahirana, fadiranovana ny vahoaka. Tsy mandry fahalemanana ny tany. Samy Malagasy isika nefa mifanao ankolafy, misy atao anjorom-bala eny sesitany mihitsy aza … Mipaka any amin’ireo mpitondra fivavahana izany feo izany, ary na izy ireo aza velom-panontaniana hoe : misy raiamandreny marina ve eto ? Mahatsiaro ho manana andraikitra izahay, hoy Randriamisata Roger, mpitandrina, sady mpikambana ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, manoloana izany ka hijoro hampahery ary hitondra ny anjara izay biriky dia ny hitaona ny Malagasy, tsy ankanavaka hitodika amin’Andriamanitra. Ndeha isika hivavaka hanjakan’ny tena Fahamarinana eto amin’ity firenena ity. Araka ny fampahafantarana nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly dia hisy hetsika ara-pivavahana ho an’ny firenena hatao ao Antsahamanitra amin’ny sabotsy 26 febroary izao.
Ndao faranana ity krizy ity, hoy ny HMF, ary tamin’izany no nilazan’izy ireo fa ankasitrahany ny fiverenan’ireo zanak’ity Nosy ity ka sesitany satria sady zon’izy ireo ny miverina amin’ny taniny, araka ny voalazan’ny Soratra Masina, no efa zara tany nomen’Andriamanitra ny Malagasy ihany koa i Madagasikara. Mihevitra izy ireo fa lalana iray hialana amin’ny krizy ny fodian’ireo sesitany, fa tsy ny fifanilikilihana no hampilamina ny firenena. Nanambara ny fahavononany handray anjara amin’ny asa fanelanelanana hivoahana amin’ny krizy koa ny HMF. Tsy mamela anay hangina izao zava-mianjady amin’ny Vahoakan’Andriamanitra izao, hoy Ravelosoa Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël, mpitandrina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.