Actualités

Fodian’i Lalao Ravalomanana Miandry ny toromarika avy any Afrika Atsimo


  • Alakamisy 28 Febroary 2013

Samy tsindriandaona ny amin’izay ho fomba hitsenana an-dRtoa Lalao Ravalomanana na ireo mpiara-dia aminy na ireo eo amin’ny fitondrana nisakana ny fodiany saingy tsy afa-manoatra fa tsy maintsy hampody ihany.

 Ho an’ny ankolafy Ravalomanana manokana dia manaja izay fanapahan-kevitry ny fianakaviana Ravalomanana ny rehetra, ary dia miandry ny fandaminana sy ny toromarika ho amin’izany. Resaka fahasalamana, antony lehibe loatra, manko no hahatongavan-dRtoa Ravalomanana eto, hoy ny tao amin’ny Magro omaly. Nambaran’ity fianakaviana ity moa fa tsy tian’izy ireo hanjo ny Malagasy intsony izao mahazo azy ireo izao. Na izany na tsy izany dia nanentana ireo mpiara-dia aminy, ireo fikambanana isan-tokony ny CT Ravelonanosy Mamy Tiana hiomana hatrany. Tsy maintsy hatao matipaika ny fandaminana rehetra, hoy izy.

Hatramin’izao koa dia tsy manana kandida ny ankolafy ary tsy mieriteritra ny momba ny fifidianana raha tsy tafaverina eto i Marc Ravalomanana. Fantatra ihany koa fa dia miandry izay ho fehin-kevitry ny fivorian’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina any Malabo ny ankolafy Ravalomanana. Nasian’ity mpikambana eo anivon’ny kongresy ity resaka koa ny fomba fiasa eo anivon’izany vondrona izany. Raha ny lalàna, hoy izy dia izay vondrona na antanantohatra nanasazy ihany no afaka manala izany sazy izany. Ho an’i Madagasikara manokana dia ny Vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana (CPS) no nampihantona an’i Madagasikara tsy ho ao amin’ny Vondrona Afrikanina sy nanavaka ireo 109 nandray anjara tamin’ny fanonganam-panjakana ka voasazy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT