Noho ny fihibohana izay natao hamerana ny firongatry ny valan’aretina Covid-19,
dia nitombo ny herisetra natao tamin’ny vehivavy, araka ny fanadihadiana izany nataon’ny UNFPA tamin’ny volana Aprily 2020. 46%n` ireo nanaovana fanadihadiana dia nanambara fa misedra herisetra ao an-tokantrano. Ny raim-pianakaviana matetika no mampihatra ny herisetra na ara-pananahana izany, na ara-moraly, na ara-batana, na ara-ekonomika tamin’ny 63% tamin’ireo tranga. Ho an’ny tetikasa Mahefa Miaraka izay vatsian’ny USAID Madagascar vola ary tantanan’ny JSI dia amin’ny alalan’ny fampitaovana takelaka fanentanana ireo mpisehatra eny ifotony sy fifampiresahana sy fampahafantarana ny lalàna eny anivon’ny fiaraha-monina na “Dialogue Communautaire” no hanatanterahana izany. Isan-taona dia misy ny hetsika “16 andro iadiana amin’ny herisetra”. Naompana amin’ny loha-hevitra hoe “« Sahia miteny, sahia mitoroka, AOKA IZAY NY HERISETRA » ny hetsika. Nanomboka omaly izany ho an’ity taona ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.