FMI-Madagasikara

> Afaka mangataka tetikasa sy famatsiambola isika


  • Zoma 14 Martsa 2014

Miverina amin’ny laoniny ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena na FMI sy Madagasikara. Ny tomponandraikitry ny FMI nitarika ny fifampidinihana tamin’ny teknisianina Malagasy nanomboka tamin’ny faramparan’ny janoary hatramin’ny tapaky ny febroary no nandefa ny fanambarana momba an’io tamin’ny Minisitry ny vola sy tetibola.

Miova anefa ny endriky ny fiaraha-miasa satria fitaovana hafa “instrument financier” vaovao no ampiasain’ity mpamatsy vola ity fa tsy ny teo aloha intsony, izany hoe fifanarahana sy dingana vaovao indray no hifampiresahana manomboka eto. Misy hatrany anefa ny fijerena izay zava-bita sy nifanarahana tamin’ny lasa araka ny vontoatin’ny fitsidihana nataon’ny solontenan’izy ireo ny voalohan’ny volana febroary. Nolazain’ny Minisitra fa miandry fotsiny io hetsiky ny FMI io ireo mpamatsy vola hafa dia hiseho avokoa. Asain’ny FMI hanatrika ny “Assemblée de printemps” any Washington moa ny delegasiona Malagasy. Ny faramparan’ny volana aprily no mitohy ny fifampidinihana momba ny fandaharan’asa hiarahana amin’ny FMI izay hatao eto an-toerana.Nilaza koa i Rasolosoaelison Lanto fa efa afaka mangataka tetikasa sy famatsiam-bola hodinihan’ny FMI isika izao. Nomarihany koa fa tsy fiaraha-miasa momba tetikasam-pampandrosoana ihany akory no hiarahana amin’ny FMI fa hanampy amin’ny fampifandanjan’ny vola kosa izy. Hampitombo ny tahirim-bola eo anivon’ny Banky Foibe ka hahamarin-toerana ny ariary izany fanohanan’ny FMI izany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT