Actualités

Flyover , Gascar, téléphérique, Fampanantenana tsy nisy tohiny


  • Talata 02 Febroary 2021

Ny eo tsy vita, ny eo misosoka ihany,... Mahita laharam-pahamehana sy programa vaovao hatrany,

 

 

 

 

 kanefa ny eo tsy hita izay tohiny sy ny tokontaniny. Mirarakopana ny fampanantenana, saingy hita ihany hoe: mikatso sy kofona tanteraka ny fitondram-panjakana ankehitriny. Indraindray toa lany any andro manilika ny tsy fahombiazana any amin’ny mpanohitra. Maro ireo raharaha mafampana ilàna valiteny sy tatitra mazava avy amin’ny fitondrana no tsy misy tohiny intsony fa naman’ny vitavita ho azy any. Mba aiza moa izao ny fanadihadiana momba ny nahamay ny ONE Antaninarenina? Ahoana ny fitakiana ny «îles éparses»? ary lasa aiza ilay orinasa GASCAR ? Nanao ahoana moa izao ny RN 44 sy ny any Ambilobe ? Asa rahoviana ihany ilay «Flyover» eny Ampasika sy Anosizato ? Ny orinasa 150 eo nanao ny fikojakojana ny làlana mitaraina ho arirarira tsy omena ny volany. Ny volan’ireny aza tsy voaloa, ka aiza no ahita 5 miliara dolara hanaovana làlana vaovao sy 3 miliara dolara hanaovana «autoroute»? Ny tanàmasoandro efa ho 2 taona izao, saingy ny «maquette» sy ny toerana aloha izao no niova, fa ny fanatanterahana mbola tsy tena hita taratra. Asa ny vola miditra amin’ny Fanjakana ve mifandraika amin’ny tetikasa hatao satria ny fitrosana efa nambara fa nampahantra antsika 60 taona ary tsy handroso mihitsy isika raha mbola hitrosa. Ny resaka téléphérique, bus misy wifi, train urbain, tramway,... tsy misy tohiny hatreto. Misambadidaka tanteraka ny fomba fiasa sy ny fitantanan-draharaha, ny resaka programa sy ny fifanandrifiany amin’ny tetibolam-panjakana. Zary lasa fomba fiasa sisa ny mamono afo ara-tsosialy sy manatobaka fampanantenana, saingy ny paikady sy ny fomba hoenti-manatanteraka azy no mampametra-panontaniana maro.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT