Tsy hisy indrafo ho an’ireo vahiny tratra amin’ny fanolanana, ary tonga dia any am-ponja avy hatrany,
hoy ny Filoha voalohan’ny Fitsarana ambony ao Toliara Atoa Florent Rakotoarisoa ny faran’ny herinandro teo, eo anatrehan’ny firongatry ny fanolanana sy fanararaotana mahazo ny zaza tsy ampy taona any Toliara. Famonjana mandra-pahafaty miampy asa an-terivozona tsy misy fandeferana no miandry. Misy ireo vahiny tonga eto Madagasikara, tonga ao Toliara ka ny anton-dian’izy ireny dia ny hanodinkodina zaza tsy ampy taona, hanolana zaza tsy ampy taona. Tsy ireo vahiny manao fizahantany mamoafady, fa misy ihany koa ireo vahiny nipetraka ela be teto Toliara mahavita izany zava-doza izany na eo an-tampon-tànana na ny manodidina toy ny any Mangily, Ifaty,… Matetika atao fiarovan-tena ny hoe nanaiky ny Ray aman-dReny, misy ny hoe nomena 5000 Ar ilay zaza,… Tsy azo atao fiarovan-tena ny hoe nivaro-tena ilay zaza sy tsy eken’ny lalàna izany, ary vao mainka mandetika, raha ny nambaran’io mpitsara ambony io. Manome fampitandremana an’ireny vahiny izay manao fizahantany mamoafady ireny, manome fampitandremana an’ireo vahiny tompon-tany, manome fampitandremana ireo Malagasy manao izany heloka bevava izany, fa tsy handefitra ny Fitsarana, tsy misy famindram-po, tsy misy fahafahana vonjimaika, tsy misy ho afa-maina raha hita fa misy ny porofo, hoy I Filoha voalohan’ny Fitsarana ambony ao Toliara io. Ny volana martsa hatramin’ny desambra 2020 hatramin’ny desambra, dia nahatratra 52 ny zaza voalohany, ka vao faramparany teo ny ankizilahy 10 taona, ary misy ankizivavy kely . Tsara ihany koa ny mampahatsiahy fa ny faran’ny novambra sy ny fiandohan’ny desambra lasa teo, dia taratany vahiny 16 no voarohirohy tamina fanolanana, ka ny 5 efa voasambotra ary 11 kosa mbola karohina. Asa nanao ahoana ny fivoaran’ny fikarohana sy ny raharaha amin’ny ankampobeny fa toa nangingina ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.