Actualités

FLM Faradofay Misy mitady hioko


  • Alarobia 27 Aprily 2011


Manaitra ny maro ao Tolagnaro sy ny manodidina ny mahita sorabaventy miranty eo anoloan’ny fiangonana FLM Fihaonana, nanomboka omaly. Sorabaventy izay milaza amin’ny ankapobeny fa ireo pastora ao amin’ny synaodam-paritany Faradofay dia tsy manaiky ny fanitsakitsahan’ny filohan’ny synoda ny lalàmpanorenana sy ny fanaovany ampihimamba ny fananan’ny FLM ao amin’ny synodam-paritany. Nipoitra izany rehetra izany taorian’ny fanapahan-kevitra nivoaka nandritra ny isan-kerintaonan’ny synaodam-paritany Faradofay natao tany Manambaro nanomboka ny 15 aprily lasa teo, ary naharitra herinandro.

Araka ny fantatra dia anisan’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’izany ny famindran-toerana pastora. Araka ny fantatra dia ampahany vitsy amin’ireo voakasika mivantana amin’ilay famindran-toerana no ao ambadik’ity sorabaventy manana endrika fiokoana ity. Hatry ny omaly hariva nanoratana ny vaovao rahateo dia tsy mbola nisy nanala io sorabaventy io.

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT