Actualités

FLM Fampiraisana Anosibe Nofanina momba ny ady amin’ny « Cybercriminalité » ireo mpino


  • Alatsinainy 12 Desambra 2022

Tonga namaly ny antson’ny fiangonana FLM Fampiraisana Anosibe ny zandarimariam-pirenena ka nanao fampahalalana sy fanentanana mikasika ny fandikan-dalàna an’habaka (Cybercriminalité).

Tranga efa tena mirongatra eto Madagasikara tokoa mantsy ny endrika fandikan-dalàna vaovao sy ny fiankinan-dohan’ny tanora amin’ny tambazotran-tserasera ka izay no antony nahatonga ny fiangonana FLM Anosibe nangataka fiaraha-miasa , mba hisorohana ny mety ho fakam-panahy sy vokadratsin'izany fandikan-dalàna izany eo amin'ny mpino.Etsy ankilan’izay, izao hetsika izao dia tafiditra indrindra ao anatin’ny asa fampiomanana enti-misoroka (prévention) sy fanentanana (sensibilisation) ataon’ny Zandarimariam-pirenena. Ankoatry ny fampahafantarana ny atao hoe «cybercriminalité» dia novelabelarina ihany koa ny fomba fiasan’ny Zandarimaria manoloana ny fandikan-dalàna an’habaka, ary nofaranana tamin’ireo torolalana sy fahazarana tsara tokony arahana sy ananana.
Marihina fa ireo Sampana misahana ny heloka bevava (GAPJ) any amin'ireo Vondron-tobim-pileovan'ny Zandarimariam-pirenena (Groupement) rehetra manerana ny nosy dia efa samy nahazo fanofanana mahakasika ny ady amin'ny fandikan-dalàna an'habaka ka afaka manampy antsika raha misy ilàna izany. Mpino manodidina ny 100 no afaka nisitraka fiofanana sy fanazavana misimisy kokoa teny amin’ny FLM Fampiraisana Anosibe ny faran’ny herinandro teo niaraka tamin’iny zandarimariam-pirenena.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT