Actualités

Fleuryce, zazalahy kely 6 taona Maty voaolana, tsy hanaiky ny fianakaviany


  • Talata 08 Novambra 2022

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny hotely fandraisam-bahiny iray lehibe tao Morondava ny Alahady atoandro teo. Zazalahy kely iray antsoina hoe :

Fleuryce izay vao 6 taona monja no fantatra fa maty nisy nanolana ka tany amin’ny lavaka fikakazany no voamafy tamin’izany. Mbola niara-nisolo akanjo tamin’ireo fianakaviany anefa izy nandritra izany raha nikasa ny hilomano kely avokoa ny rehetra. Anisan’ireo farany nanao izany izy ary mbola nanakana ireo olon-dehibe fianakaviany tsy handro fa misy maloto hono ilay rano. Tsy hita intsony i Fleuryce raha tsy ora iray taorian’izay saingy efa vatana mangatsiaka tsy misy aina intsony sisa no nisy nanatitra teo amin’ny fianakaviany. Nataony ny famonjena azy nandritra izany sao sanatria sempotry ny rano….Tonga hatrany amin’ny hopitaly mihitsy ny fianakaviany saingy namaly ny mpitsabo fa efa tsy namana intsony ilay zaza.Rehefa nampandro ny vatana mangatsiakany ny zokiny dia nahita fa hafahafa ny lava-bodiny. Natao ny fizahan'ny mpitsabo ka hita nandritra izany fa simba tanteraka Fleuryce ary tsy nahitana trace noyade fa fanolanana no hita. Tera-tany vahiny iray izay niresaka elabe tamina mpanjifa gasy iray tao amin’io hotely io no ahiahiana. Saika nitsoaka ny Alahady maraina niala ilay hotely mantsy io tera-tany vahiny io hoy ny vaovao nandritra ilay loza nahazo an’i Fleuryce. Mailo anefa ny polisy ka efa natao fanadihadiana izy. Ny nampalahelo tamin’ity tranga ity dia tsy hita tao anatin’ilay camera de surveillance tao amin’ilay hotely ny zava-nitranga nahazo an’i Fleuryce fa tapaka hoy ny vaovao. Izy nihazakazaka kely farany tao amin’ilay hotely no hany hita.
Nangonin’i Pati
Legende : I Fleuryce nisakafo farany niaraka tamin’ny fianakaviany

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT