Flesy tao am-paosiny no niampangan’ny polisy an’i Hajamananirainy Zénon Marc, ho nikasa hitoraka ny kôrtezy nitondra ny filohan’ny FAT ka nanaperana ny ainy.
Izay no tao ambadik’ilay raharaha teny Ankasina ny alin’ny alatsinainy 18 jolay teo. Mpamily fiarakaretsaka i Zénon. Tamin’ny 11 ora alina, avy nanatitra fiara tao amin’ny «parking» Salema Vaovao ambadiky ny Havana 67ha izy, ary an-dalana hihazo ny tranony eny Andohatapenaka no sendra ny polisy enin-dahy araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mpamily fiarakaretsaka iray miaraka aminy. Nitaky ny hampisehoana ny kara-panondrom-pirenena ireto polisy ireto, izay fanao amin’izay mandeha alina rahateo. Rehefa nisava paosy anefa vao tsaroan’i Zénon, fa hadino any anaty fiara ny karany sy ny “permis”. Teo dia efa niharan’ny daroka izy. Dimy tamin’ireo polisy enina no voalaza fa nifandimby nitoto azy. Hita tao anaty fiara tokoa anefa ireo karatra notakiana, rehefa nozahana, saingy tsy navelan’ireto polisy ireto hamonjy fodiana izy fa nasiana rojo vy avy hatrany, araka ny fitantaran’ny mpamily namany tamin’ny havany.
Teo Vatobe, sampanana mampifandray an’Ankasina sy 67ha ary Andohatapenaka no namelana azy efa boba ra sy trotraky ny vono nandritra ny fotoana naharitra. Ny polisy ihany indray anefa no nanatitra an’i Zénon teny amin’ny hopitaly ny talata vao mangiran-dratsy. Olona efa miala aina no tonga teny, ary dia fotoana fohy taorian’ny nahatongavana teny amin’ny HJRA dia tsy tana ny ainy. Ny fianakaviany anefa amin’io tsy manam-po na inona na inona. Na izany aza dia velona ahiahy ihany ny fianakaviany rehefa nahita fa tsy nody an-trano izy. Nanomboka teo ny fikarohana. Omaly alakamisy vao hitan’ny havany tao amin’ny HJRA ny vatana mangatsiakany, izay rehefa nozahana dia mangana ny vatany, misy diana rojovy ny tanany, ary vaky ny lohany. Ny teo anivon’ny Polisim-pirenena moa nilaza fa nitsoaka ary nianjera ka nidona tamin’ny vatobe no nahavoa ny lohany. Fanazavana izay tsy maharesy lahatra ny fianakavian’ny maty. Nilaza ireto farany fa hitory, aorian’ny fandevenana amin’ny alahady.
Araka ny fanazavan’ny havan’ny maty ihany koa dia tsy miala any am-paosin’i Zénon io flesy io hiarovany tena noho izy mpody alina, satria mbola mitsofoka anaty tanàna ny tranony nefa be alika. Lavin’ny fianakaviana koa ny fiampangana ny havany ho nikasa hitoraka ny kortezy nitondra ny filohan’ny FAT. Mangina tsy nandrenesana filazana mikasika ny fisian’izany fitorahana izany rahateo ny teo amin’ny fiadidiana ny FAT, ka amin’ny fianakavian’ny maty dia habibiana miharo fandatsahan’aina tsotra no natao an’i Zénon. 33 taona, manambady ary manan-janaka roa ity farany. Dia sanatria ve ka ho vitavita ho azy toy ny nahazo an’i Rina teny Nanisana, tamin’ny fanenjehana an-dry Mahandry, sy i Andry nampangaina ho “bande des 12” teny Itaosy, na koa i Tafita teny Anjanahary ity raharaha Zénon ity ?
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.