Nirehitra ny Fokontanin’i Saharina, Kaominina Ambatoharanana, Distrikan’i Fenoarivo atsinanana ny sabotsy mitataovovona teo. Ny mponina amin’io any an-tsaha, ny sasany any amin’ny tsaboraha, ankoatra ireo namonjy fivoriam-bavaka.
Trano niisa 256 no may kila forehitra hatramin’ny fananana tao anatiny rehetra, traboina tsy manana hotafiana sy ho hanina ny mponina miisa 1.200, eo araka ny tatitry ny filoham-pokontany. Ireo fiangonana efatra tao an-tanàna ahitana ny fiangonana FLM, Katolika, FJKM ary fiangonana zandriny “Herin’Andriamanitra” ihany no tsy may. Resaka fandorana tantely nanaikitra ity mpiompy tantely no nahatonga ny loza. Noho ny hamafin’ny fahavoazana, dia tonga nanao ny voin-kava-mahatratra tany an-toerana Atoa Roland Ratsiraka sy ireo mpikamban’ny Malagasy Tonga Saina (MTS) tarihany, izay nitondra lamba firakotra sy akanjo fitafy, vary roa taonina, kojakojan-dakozia samy hafa ary ireo zavatra ilain’ny mponina andavanandro. Nampanantena ny filohan’ny MTS fa hifanampy amin’ireo vahoaka may fananana ireo mba hahafahan’izy ireo manamboatra ny kara-panondro. Hahazo fanampiana koa ireo mpianatra hiatrehany ny taom-pianarana vaovao. 30 km miala an’i Fenoarivo Atsinanana no misy an’i Saharina, miondrana lakana manaraka ranon’i Maningory mandritra ny 50 minitra vao tonga noho ny fahasimban’ny lalana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.