Actualités

Fizarana ordinatera Be no nimenomenona tetsy Antanimena


  • Alarobia 24 Jolay 2013

Nandray andraikitra amin’ny fiarovana ny mpanjifa omaly ka nitondra vadintany teny Antanimena misy ny foiben’ny JK Group ny Tambajotra nasionaly ho fiarovana ny mpanjifa na ny RNDC (Réseau National pour la Défense des Consommateurs) notarihan-dRakotorova Rabetsara Lita filohany, nanamarina ny trangan-javatra marina tamina raharaha fifampivarotana nisy teo amin’ireo olona namandrika entana mialoha sy ity orinasa ity.

Betsaka loatra ny fitarainan’ny mpanjifa tonga aty aminay mikasika ity raharaha ity, hoy izy. Voalazan’izy ireo ny fisiana karazana fitaka tamin’io varotra io satria tsy ny mariky ny entana nifanarahana no atolotra azy ireo ankehitriny fa hafa. Tsy mifanaraka amin’ny fombam-pivarotana ny zava-nanjo ny mpanjifa tao ka niteraka fimenomenomana sy fitakiana famerenam-bola natao tamin’ny sorabaventy araka ny fitanana an-tsoratra nataon’ny vadintany. Raha ny vaovao farany voaray aloha dia ilay “avance” nangonina nanafarana entana ihany no naverin’ilay orinasa rehefa nanery ny mpanjifa fa ilay vola natao antoka kosa dia mbola tavela. Filaharana roa samihafa no tazana tetsy Antanimena omaly satria nisy ihany koa ireo nandray ny entana tsy nifanarahana tamim-pimenomenomana fa tsy nahafantatra ny amin’ilay famerenana ny vola.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT