Actualités

Fizarana kopia faobe Nanatanteraka izany ny kaominina 5 teny Atsimondrano


  • Sabotsy 30 Jolay 2016

Kaominina dimy avy ao amin’ny faritra Atsimondrano no nisitraka ny hetsika fanaon’ny AEA na ny « Association Enfants d’Antananarivo”) amin’ny fizarana kopia faobe anio.

Nampitondrain’izy ireo ny anarana « ADN » na acte de naissance ny hetsika ka ankizy miisa 239 no naharaisana antontan-taratasy ny alarobia teo. Anosizato andrefana, Fenoarivo, Alatsinainambazaha, Ambohijoky Antanetikely ary Androhibe Antsahadinta no kaominina nanaovana antso ho fampahafantarana fa zo fototry ny ankizy ny fananana kopia nahaterahana, io antontan-taratasy io no mamaritra ny fiainany amin’ny maha teratany Malagasy azy, hoy ny filohan’ny fikambanana Julia Harimanana. Na dia ireo latsaky ny 18 taona aza no iandraiketan’ny fikambanana, nisy ihany ireo mihoatra ny roapolo taona am-polony nangataka fanampiana tamin’izy ireo hahazo kopia nahaterahana.

Nampiavaka ny hetsika fikisahany ho amin’ny sisin’Antananarivo raha toa ka tao amin’ny boriborintany voalohany hatrany no niasan’ny AEA hatramin’ny nijoroany. Mbola ho tohizana izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, noho ny fahitàn’izy ireo fa vitsy an’isa ireo mahavita taratasim-pahaterahana eny amin’ny kaominin’Ambanivohitra. Narahana fampisehoana sarimihetsika ho fampahafantarana ny zo sy ny herisetra mianjady amin’ny ankizy ihany koa ny hetsika tamin’io alarobia io. Ny fondation ENGIE sy ny Bazar Sans Frontieres ary ny Voix de l’enfant no niara-nisalahy amin’ny fanatontosàna ny hetsika rehetra ataon’ny AEA izay nanaovany antso avo amin’ny mpitondra fanjakana isan’ambaratongany hanampy tosika azy.

Ntsoavina Evariste

Fizarana kopia teny Atsimondrano

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT