Hotanterahana any amin’ny tanàna maro maneran-tany amin’ny andro iraisana ny sabotsy 21 septambra 2013 ny hetsika “The meal” na “Marmite Solidaire” na fizarana sakafo ho an’ny ankizy sahirana eran-tany.
Any Annemasse no foibe hifandraisana. Anisan’ny hanatanteraka ny hetsika ny any Fribourg, Bern, Lausanne, Paris, Chambéry, Montpellier, Berlin, Bamako, Dakar Lomé, Kabul, Ouagadougou, Porto-Novo ary any Katsepy Mahajanga Madagasikara. Nofidiana manokana ity toerana ity araka ny fanazavan’ny filohan’ny FIZAMAMI (Fikambanan’ny Zanak’i Mahajanga Mitambatra) Randriamisa Pascal izay mpikarakara ny hetsika omaly teny 67 ha, noho izy toerana manan-daza eo amin’ny sehatry ny fizahantany. Tonga eto Madagasikara manokana Rtoa De Giovani Zahrah Nathalie (Malagasy filohan’ny Arlem “Association Région Le Man pour des Enfants du Monde”) izay tompo-mariky ny tetikasa ka hanolotra ny sakafo mivantana ho an’ny ankizy 20 avy any Mahajanga sy 100 hafa avy any Katsepy. Marihina fa ny zoma 20 septambra dia efa hanomboka ny hetsika any Katsepy amin’ny alalan’ny Manesy omby sy ny Tsimandrimandry mandra-paharain’ny andro. Hitohy ny sabotsy 21 septambra amin’ny karnavaly lehibe manerana ny tanàna, ny fanolorana sakafo ireo kilonga sy vahiny nasaina manokana manerana ny Nosy, fanetsiketsehana ara-javakanto isan-karazany ary alim-pandihizana lehibe ny alina manontolo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.