Actualités

Fizahantany Misy hotely voatery nikatona any Tolagnaro


  • Alarobia 25 Aprily 2012

Tsy mbola miarina ny tontolon’ny fizahantany any Tolagnaro. Nambaran’ireo tomponandraikitry ny trano fandraisam-bahiny tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana fa zara raha misy olona roa na telo isan-kerinandro no mba miantrano amin’ny hotely.

 Fatiantoka iray lavaka no hita, hoy ireo nanaovana fanadihadiana. Any amin’ireo sokajy atao hoe “Maison d’hôte” no milafika ireo mpizahatany fa tsy mandeha any amin’ny hotely manana lentan’ny fizahantany. Antony maro no mahatonga ireo mpizahatany malaina ho any Tolagnaro, anisan’izany ny tsy fandriampahalemana amin’ireo toerana falehan’ny mpizahatany toy ny ao amin’ny Pic Saint Louis. Niainga tamin’ny fanadihadiana ihany no nahafantarana fa nisy trano fandraisam-bahiny iray manana ny maha izy azy ao Libanona no nikatona tanteraka, iray volana lasa izao, noho ny tsy fisian’ny mpivahiny na mpizahatany. Nijanona tsy niasa avokoa ireo mpiasa. Ahiana hitatra amin’ireo trano fandraisam-bahiny hafa anefa ity fikatonana ity.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT