“Tsy mahavelona any Frantsa ny vola kely raisiko amin’ny alalan’ny RMI omen’ny fanjakana ahy, izay no mahatonga ahy mipetraka eto Toamasina ka isaky ny lany ny fivahinianako telo volana eto dia miverina any Frantsa aho, ary mijanona any herinandro dia miverina eto Madagasikara indray”.
Izay, araka ny fanadihadiana natao, no nambaran’ity teratany frantsay lahy monina ao Toamasina, izay manofa trano amina zanaka kolonely iray eo anivon’ny tafika Malagasy. Voarohirohy ho mpanao fizahatany mamoafady mantsy ity Frantsay lahy ity ankehitriny, noho ny zava-nitranga tamina tovovavy Malagasy 19 taona, izay niaraka tamin’ny namany vao 17 taona, ny herinandro lasa iny. Nitady mpahandro ity teratany frantsay ity ka nahita ity tovovavy ity izay hitan’ilay zanaka kolonely tompon’ny trano hofainy. Vita ny nahandro dia raikitra ny revy teo amin’ilay tovovavy 19 taona sy ilay zanaka kolonely ary ilay Frantsay lahy. Tsy niditra fa nijanona teo an-tokotany kosa ilay tovovavy tsy ampy taona nandritra izany. Nitatra anefa ny revy ka nivadika ho firaisana ara-nofo “mamoafady” no niafarany, izay nomarihan’ilay tovovavy fa nataon’izy ireo, nefa nolavin’ilay vazaha.
Tao anatin’izay anefa dia voalaza fa very vola 600.000 Ariary ilay vazaha, ka nampangainy ilay tovovavy niaraka taminy. Neken’ity farany ny vola lasany saingy nambarany fa vidin’ny fiarahan’izy sy ilay vazaha ilay izy. Samy nanao ny fiarovan-tenany teo anivon’ny mpanao fanadihadiana na ilay tovovavy nambara fa nangala-bola na ilay Frantsay voalaza fa manao fizahantany mamoafady satria “visa touristique” no hahafahany mipetraka ao Toamasina ary ilay zanaka kolonely voalaza fa mpiray tsikombakomba tamin’ilay vazaha. Anjaran’ny fitsarana moa no mamaritra ny heloky ny tsirairay amin’izao raharaha izao, vao omaly rahateo vao niasa ireo mpiraki-draharahan’ny fitsarana, ka ho hita eo ny tohiny.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.