Actualités

Fizahan-tany sy fikarakarana sakafo Mbola malalaka ny tsenan’ny asa saingy…


  • Alarobia 03 Aogositra 2016

Tsy mitsaha-miroborobo ankehitriny ireo karazana sekoly eto amintsika manofana ho mpandray mpizahatany vahiny sy mpikarakara sakafo.

  Na izany aza mbola tena malalaka ny tsenan’ny asa raha araka ny fanazavan’ny fikambanana ISAAC eo anivon’ny INTH  omaly saingy ny fari-pahaizan’ny mpianatra no  olana izay tsy mifanaraka amin’ny filana takian’ny mpanjifa. Anton’ny nitsanganan’ny fikambanana tamim-pomba ofisialy izany, hanohana sy hanampy ary hifampizara traikefa amin’ireo namany ho tombontsoan’ny rehetra. Mpianatra maintimolalin’ny INTH efa nahavita fianarana avokoa izy ireo izay mbola hiezaka hamondrona ireo namany mihoatra ny 2.000 isa efa nivoaka. Ankoatra izay dia hanampy ireo namany amin’ny fitadiavan’asa ihany koa izy ireo. Ny 60%-n’ireo hotely sy trano fandraisam-bahiny lehibe eto amintsika mantsy dia misy mpianatry ny INTH avokoa.  Hamoaka ny andiany misalotra ny anarana Saingon’Amboara izy ireo  ny alakamisy ho avy izao. Tsiahivina moa fa mankalaza ny faha-25 taona niorenany ihany koa ny INTH amin’ity taona 2016 ity.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT