Mitarazoka ny fanorenana ny « village de la francophonie any Madagasikara, mety trano lay no handraisana ny hetsika ( Madagascar : le village de la francophonie piétine, tous sous un chapiteauR01;? ).
Lohateny feno eson-teny tahaka izany no namaritan’ny gazety boky Jeune Afrique nivoaka ny alakamisy 4 aogositra lasa teo ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony faha-16 an’ny Frankôfônia amin’ny volana novambra ho avy izao. Efa tena mahoraka any Afrika sy manerana izao tontolo izao izany fa tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny fanomanana ity fivoriana maha dedaka ny fitondrana HVM ity. Tsy ny mpanao gazety malagasy ihany fa ny vahiny koa dia efa mahafantatra fa misy olana ara-bola ny fanamboarana ilay fotodrafitrasa goavana eny Andohatapenaka. Efa tena tara ny asa na dia miezaka milaza ny mifanohitra amin’izany aza ny tompon’andraikitra. Sarotra ny inoana fa ho vita tsara sy manara-penitra ao anatin’ny 100 andro izany hoe 3 volana sy tapany ny hotely lehibe kintana 4 miampy toerana goavana hanaovana fampirantiana sy tranoheva an-jatony hampisehoana asa tanana ary toeram-pialamboly lehibe eny Andohatapenaka. Raha heverina fa atao an-kalamanjana ao anaty trano lay goavam-be indray anefa ny hetsika rehetra dia hanahirana ny fitandroana ny filaminana, hoy ny Jeune Afrique. Fehiny, manomboka efa tsy mahatoky an’i Madagasikara amin’ny fampiantranoana ity fivorian’ny OIF ity intsony izao tontolo izao, ka izay iray alehany na hafindra any amina firenen-kafa ilay izy na hatao eto ihany fa dia ho afabaraka noho ny kitoatoam-pikarakarana indray ny Malagasy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.