Fivoriamben’ny Firenena Mikambana

> Iza no hisolotena an’i Madagasikara ?


  • Alarobia 11 Septambra 2013

Tapa-bolana mialoha ny fivoriambe faha-68-n’ny Firenena Mikambana any New York Etazonia, dia tsy mbola fantatra mazava izay hitarika ny delegasiona Malagasy ho any an-toerana sy ny mety ho firafitr’io delegasiona io.

Mivoaka mantsy izao ny resaka fa dia ady ambony latabatra goavana no misy, eo amin’ireo samy tompon’andraiki-panjakana, indrindra fa eo amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny minisitry ny raharaham-bahiny (teo aloha) Pierrot Rajaonarivelo. Fony mbola nitantana feno ny ministeran’ny raharaham-bahiny mantsy ity farany dia nandefa taratasy tany amin’ny masoivoho Malagasy eo anivon’ny Firenena Mikambana. Milaza io taratasy io fa ny minisitry ny raharaham-bahiny no hitarika ny delegasiona avy aty Madagasikara hiatrika ny fivoriambe faha-68-n’ny Firenena Mikambana. Re fa tezitra mafy i Andry Rajoelina raha nahafantatra ny fisian’io taratasy io, roa volana taty aoriana, koa dia nandefa valin-kafatra miendrika fangataham-panazavana sy teny midina tany amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny tetsy Anosy.

Ny Sekretera jeneralin’ny prezidansa Haja Resampa no nanoratra ary raha fintinina dia nilaza fa tafintohina tanteraka tamin’ny fihetsika nataon’ny minisitry ny raharaham-bahiny Pierrot Rajaonarivelo amin’ny fisandohana andraikitra, ny filohan’ny tetezamita… Tokony hisy ny fepetra ho raisina. Manafy ilay taratasy avy any Ambohitsorohitra fa ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina no lehiben’ny delegasiona ho any New York hiatrika ny fivoriana amin’ny 24 septambra. Tsy mbola nisy aloha hatreto fandefasana ny fanasana avy any amin’ny Firenena Mikambana fa ny siosion-dresaka re fotsiny no nahafantarana fa mailo ry zareo, ka nihevitra tranga telo  dia ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina no hitarika ny delegasiona, faharoa dia mety ny minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana Andriantiana Jacques Ulrich no hitarika ny delegasiona ary fahatelo farany dia mety ho ny praiminisitra Omer Beriziky no hamita iraka.

Azo antoka fa tsy hanaiky holembenana amin’ity resaka ity ny filohan’ny tetezamita, izay mety efa mihevitra fa io fihaonana any New York io no fivoriana iraisam-pirenena lehibe mety hatrehany farany amin’ny maha filoham-panjakana azy. Tsy fantatra koa anefa izay tena ao an-tsain’ny praiminisitra Beriziky sy izay ketrika ambadika ataon’ny MDM an’i Pierrot Rajaonarivelo, mitantana vonjimaika ny raharaham-bahiny ankehitriny.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT