Raha tena dingana tsy maintsy arahana amin’ny fanalana ny krizy tokoa ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, dia tsy olana izany raha ny hevitry ny olona sendra ny Tia Tanindrazana. Misy ihany anefa ireo manahy sao hitarika korontana eto indray izany ary hampizara ny samy Malagasy, ao koa ireo milaza fa efa fanombohan’ny fifamelana sy ny fampihavanana eo amin’ny samy mpanao politika izany ka tsy tokony hisy olana…
Tiana, 33 taona : “Raha ny fahafantarako azy dia Malagasy tahaka ahy i Marc Ravalomanana, ka nahoana moa izy no tsy avela hiditra eto ? Efa iaraha-mahalala fa fitsarana politika no natao taminy. Raha nisy ny heloka na fandikan-dalàna nataony dia azo tsaraina izy amin’ny fotoana mahamety izany fa tsy ato anatin’izao tetezamita izao fotsiny satria mbola mikorontana daholo anie ny rafitra misy eto e ! Ka ahoana moa no hahazoana toky fa tena tsy mitanila tokoa ny fitsarana ?”
Andry, 40 taona : «Efa ela no niandrasana izany fiverenan’i Dada izany, ka dia fety be izany amin’ny sabotsy. Tsy hanao fahagagana tsy akory ny filoha Ravalomanana, saingy maro be kosa ny traikefa ananany ka tsara mihitsy raha izy no mandray anjara mivantana amin’ny adihevitra fa tsy hanao resaka miampita foana».
Martine, 50 taona : «Ny ahy ny atahorako fotsiny amin’ity fiverenan-dRavalomanana ity dia sao lahy handrehitra indray ny fahatezeran’ny sasany ilay izy ka hisavorovoro eto indray isika mianakavy. Misy mantsy ireo tena mbola nalahelo noho ny nataony nandritra ny enin-taona naha filoha azy, ka tsy mbola nikatona ny ferin’ireny olona ireny. Mila mailo ny mpitandro ny filaminana satria maro be koa anie ny mpanararaotra e !»
Hervé, 25 taona : «Tsy olana amiko ny fiverenan’ny filoha teo aloha eto, satria amiko dia ny fifanatrehana eo aminy sy ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, ihany no hamaha ny ankamaroan’ny olana nahatonga izao krizy izao. Rehefa tsy manaiky ny hifanatrika any ivelany i Andry Rajoelina dia tsy maintsy i Marc Ravalomanana izany no tonga eto e!”
Onja, 28 taona : “Nisy ny tsy nety nataon’i Marc Ravalomanana teto ary nisy no tezitra taminy. Efa fotoanan’ny fanovana anefa izao koa raha te hamonjy sy hanarina an’i Madagasikara marina isika dia mila mifamela sy mihavana mba hanamora ny fiaraha-miasa. Tena efa ampy izay fifanenjehana izany fa aleo mifanatona sy mifampiresaka amin’izay. Mino sy resy lahatra aho fa efa nandinika tsara ny zavatra rehetra nataony sy ny mbola hataony ho an’ny firenena Atoa Ravalomanana, ka tsy hamerina ireo fahadisoany intsony”
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.