Mbola naverimberin’ny tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly fa miala tsy mitantana ny tetezamita Rajoelina ary izay no andrandraina, ary tsy maintsy mody i Dada hamerina ny fampandrosoana.
Mialoha izay anefa dia mila mifanome tanana ny vahoaka. Miandry ary manantena ny vahoaka malagasy amin’io 16, 17 ary 18 aogositra any Luanda io, hoy i Donné sy Charline. Miantso ny rehetra hiray hina ny KMFB tahaka an-dry Georges nitondra ny teniny tamin’io omaly io fa efa misaritaka ny ao an-dapa. Tsy matotra io fifidianana io satria mbola ilay 17 novambra no “réference”, hoy i Zafilahy Stanislas. Feno “doublons” na anarana miverimberina ny lisitra.
Tetikasan’olona no notokanana ka lazaina fa tsy nisy nahavita n’inona n’inona nandritra ny 50 taona, hoy izy. Ny fiverenan’ny filoha roalahy no handradrain’ny vahoaka, hoy i Leriva Manahirana. Ny vahoaka efa vonona, hoy izy, ka tairo izay mbola mitaredretra. Ny mino tsy maintsy mandresy. Ny anay zazanavela, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame nanohy izay, dia tohizanay ny lalana mandrapahatongan’ny mpitondra anay. Hafatra kosa no nentin’ny solontenan’ny Distrikan’i Fandriana nandray fitenenana nilaza fa : “efa tena manantena ary hanao rodobe hitsena ny Filoha Ravalomanana Amoron’i Mania. Na dia lavitra tokoa aza izahay dia miray feo sy fo aminareo hanao veloma ny FAT”.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.