Actualités

Fiverenan-dRavalomanana Miandry fahagagana sisa ?


  • Alatsinainy 16 Mey 2011

Raha tsy hoe misy fahagagana goavana angamba na miova fo tampotampoka teo ny mpitondra ao amin’ny tetezamita vao afaka hiverina eto ireo filoham-pirenena teo aloha, dia Atoa isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana.

 Izany no resaka manomboka iadian-kevitra eny rehetra eny ankehitriny taorian’ny filazan’i Andry Rajoelina tamin’ny mpanao gazety tany Frantsa fa tsy azo ekena mihitsy ny fandatsahan-dra sy famonoana olona ary tsy hahazo famotsoran-keloka na oviana na oviana ireo izay manao izany. Atoa Marc Ravalomanana moa no tena tiany hambara amin’izany. Malaza amin’ny fiovaovan-kevitra ny filohan’ny FAT fa tamin’ity momba ny filoha teo aloha ity kosa dia tsy nihetsika mihitsy ny heviny fa dia rehefa niongana ka lasa any ivelany any «Ramose» dia aleo aloha hijanona maharitra any. Araka ny re ihany koa dia mandresy lahatra mafy dia mafy ny filohan’ny FAT mba tsy hanaiky ny fiverenan’i Dada eto Madagasikara ireo manodidina azy sy ny mpiara-miasa akaiky ary ireo mpanohana azy dia ny Karana sy ny Frantsay izany.

Tsy dia mahagaga ihany izany ho an’ny tena maharaka tsara ny zava-nisy rehetra teto satria vao tamin’ny 2002 no nangatsiatsiaka ny fifandraisan’Atoa Ravalomanana sy ny Frantsay. Raha ireo Karana indray dia noho ny fisian’ny orinasa Tiko ka nampihena be ny bizina nataon’izy ireo hatramin’izay no tena nahatezitra azy ireo tamin’ny fitondrana teo aloha. Ireo niara-niasa taminy sy efa nahafantatra azy hatramin’ny ela mantsy dia nahalala tsara fa nikasa ny hamadika ny harena sy ny fandraharahan’ireo Karana ho aty amin’ny orinasa Malagasy ingahy Ravalomanana, satria hitany fa tena manomboka miankin-doha amin’ny Karana ny toekarena teto ary mety tsy ho ela dia ny Karana indray no ho lasa tompon’ny tany rehetra.

Mitovitovy amin’izany ihany koa ny saika nataon’ny Frantsay. Koa nitambatra ireo rehetra nahatsiaro nailika sy very tombontsoa nandritra ny enin-taona ka nanampy an’i Andry Rajoelina mba hanilihana an’i Marc Ravalomanana. Niray saina izy ireo ankehitriny ny amin’ny tsy hiverenan’ity filoha teo aloha ity mihitsy eto Madagasikara satria mety hanimba ny drafitra napetraka izy, ary mety mbola ho lany filoha raha kandida eo. Koa tsara izy raha mialokaloka any ivelany any aloha. Izay amin’ny ankapobeny ny zava-misy sy ny feo mandeha. Miankina amin’Atoa Ravalomanana sisa ny mety ho tohin’ny raharaha rehetra, na sahy izy na tsia. Na izy miditra eto Madagasikara, na miandry ny rariny sy manantena fahagagana ka hitaky fihaonana sy fifampidinihana hikarohana marimaritra iraisana foana. Efa mazava anefa ny tenin’i Andry Rajoelina hoe tsy azo ekena ny famonoan’olona (resaka 7 febroary io) ary tsy handany andro hiresaka amin’ny olona tsy manaiky ny tetezamita mijoro ankehitriny izy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT