Actualités

Fivarotana ny «Bois de rose» Fanomezana laka ny Sinoa, hoy ny Maitso


  • Alarobia 24 Aogositra 2011

Ho an’ny antoko maitso Hasin’i Madagasikara dia tsy tokony ho amidy amin’ny alalan’ny tolo-bidy iraisam-pirenena avokoa ireo andramena izay angonon’ny vaomiera manokana amin’izao fotoana fa asiana Tahiry ho an’ny mpitrandraka eto an-toerana izay sahirana mitady akora fototra.

 Manohitra ny fakana ny andramena eo ampelatanan’ireo rahateo ireo mpandraharaha sy ny olon-tsotra ao Antalaha izay nanao hetsika tao an-toerana tamin’ny herinandro lasa iny. Isany antony nampitokona ireo mpanao sikotra tao Ambositra koa ny tsy fisian’ny hazo hiasany. Karazana fanomezana laka ny mpandraharaha sonia samirery koa ny fanokafan’ny fanjakana tolo-bidy iraisam-pirenena ireo andramena araka ny fahitan-dRtoa Saraha Geoget Rabearisoa, filohan’ny Maitso azy. Nambarany mantsy fa  ry zareo Sinoa irery no mandray sy mividy hazo tsy mazava ny fiaviany satria manohitra izany avokoa ny firenenen-kafa rehetra .

Toheriny koa ny mizana tsindrin’ila ataon’ny fitsarana izay manasazy ireo madinika fa mamela hiriaria ireo tena atidoha mikotrika ny fandripahana ity harem-pirenena ity. Ankoatra izay dia mihevitra ny Maitso fa fikambanana tsy miankina mahazo alalana avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena toa ny Unesco sy ny Global Witness no tokony hampitantanina ny vola azo amin’ny famarotana ireo andramena fa tsy fitondram-panjakana akory. Ary tsinjaraina amin’ny tetikasa fampandrosoana ireo tanàna sy Kaominina niavian’ny hazo ny vola azo.

 

Yves  

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT