Fivarotana horonantsary mamoafady

> Toy ny mivarotra anana ao Toliara, tafaroboka mividy hatramin’ny ankizy


  • Zoma 16 Aogositra 2013

Ny fanaraha-maso ataon’ny tompon’andraikitra ve no tsy misy ka mampirongatra indray ny fivarotana kapila piraty misy horonan-tsary mamoafady isan-karazany eny an-tsena.

Ny ao Toliara dia toy ny mivarotra anana atoko etsy sy eroa ny fivarotana filma «porno». 1 500 Ariary ny kapila mangirana Divx iray misy horonan-tsary mamoafady efatra na dimy ao anatiny. Mandeha ny tsena, hoy ireo mpivarotra sendra anay amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao ary sokajin’olona rehetra no manjifa eo, fa ny tanora no betsaka mividy. Tsy matahotra intsony ireo mpivarotra. Na ireo mpitandro filaminana mivezivezy eo toa tsy rototra akory sa efa anisan’ny mpanjifa na manao kopaka sasahana amin’ny bizina mamoafady mamotika ny tanorantsika ity. Fa tena mampihoron-koditra dia mitety Fokontany mihitsy ireo mpivarotra ao Toliara ho an’izay olona menatra mividy izany eny imasom-bahoaka. Misy ihany koa ireo mpitantana trano fandefasana horonantsary (salle de vidéo) sasany no mivarotra horonan-tsary mamoafady sy mandefa izany, ka na hatramin’ny ankizy tsy ampy taona aza mijery rehefa mahaloa vola 200 Ariary. Raha ity tranga ity no asian-teny dia samy tompon’andraikitra ny rehetra ka tokony handray andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay satria manimba ny sain’ny ankizy sady mitarika ny tanora hanandrakandrana ny fijerena ireny horonantsary mamoafady ireny ary tsy mifanaraka ihany koa amin’ny soatoavina Malagasy.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT