Nanaitra ny filazan’ny minisitry ny ala sy ny tontolo iainana tonga tao Toamasina ny zoma tolakandro teo, nanangana ny komity hisahana ny fanisana ireo tahirina andramena amin’ireo mety mitahiry izany sy ireo efa nogiazan’ny FAT noho ny fandikan-dalŕna nataon’ireo mpanondrana sy ny mpandraharaha.
Nilaza mantsy ny minisitra raha nanontanian’ny mpanao gazety fa “ataon’ny Malagasy inona hovidiana eto moa ireo andramena hataon’ny fanjakana tetezamita tolo-bidy iraisam-pirenena ireo. Matoa atao iraisam-pirenena ny fivarotana ireo andramena ireo dia ny vahiny no tokony hividy azy, ary raha ny Malagasy no miditra mpifaninana dia tsy maintsy hitahiry izany eto ihany nefa ny eto aza tsy azo atao intsony ny mitahiry sy ny manondrana ary ny mitatitra izany araka ny “ordonnance” efa navoakan’ny governemanta”. Midika avy hatrany izany fa efa tsy ao anaty lisitra ny mpandraharaha Malagasy.
Mazava anefa ny lalanan’ny tolo-bidy fa “ny rehetra dia afaka mandray anjara sy ho mpifaninana avokoa”. Resaka varotra koa no atao eto, ka izay ambony na Malagasy io na vahiny no tokony hahazo azy. Midika izao araka ny tenin’ireo mpandraharaha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety fa “efa misy olona homena tombondahany amin’ny famarotana ireo andramena ireo any ivelany any, fa sinema ilazana fa manaraka ny lalàna ny zavatra ho atao”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.